
1 Ry Galatiana adala, iza no nanimba [namosavy] anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an'i Jesosy Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana?

2 Izao ihany no tiako holazainareo amiko: Moa ny asan'ny lalna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana? [fandrenesana amin'ny finoana]

3 Adala toy izany va hianareo? Rehefa nanomboka tamin'ny Fanahy hianareo, dia hahatanteraka amin'ny nofo va ankehitriny?

4 Moa izany zavatra be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia foana tokoa izany?

5 Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin'ny asan'ny lalna va izany, sa avy amin'ny fitoriana ny finoana?

6 Dia tahaka an'i "Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany" (Gen. 15. 6/.

7 Koa fantaro fa izay amin'ny finoana no zanak'i Abrahama.

8 Ary satria hitan'ny Soratra Masina rahateo fa amin'ny finoana no anamarinan'Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin'i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: "Aminao no hitahiana ny firenena rehetra" (Gen. 12. 3);

9 ka dia izay amin'ny finoana notahina mbamin'i Abrahama mpino.

10 Fa izay rehetra amin'ny asan'ny lalna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hoe: "Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankato ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalna." (Deo. 27. 26).

11 Ary hita marimarina fa amin'ny lalna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra; fa "ny marina amin'ny finoana no ho velona"[ny marina ho velon'ny finoana](Hab. 2. 4).

12 Ary ny lalna tsy araka ny finoana; fa "izay mahatandrina izany no ho velona aminy" (Lev. 18. 5).

13 Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe: "Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo" (Deo. 21. 23),

14 mba ho tonga amin'ny jentilisa ny fitahiana an'i Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin'ny finoana ny teny fikasana ny amin'ny Fanahy.

15 Ry rahalahy - miteny araka ny fanaon'ny olona aho - na dia ny fanekena [didim-pananana] ataon'olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany.

16 Ary tamin'i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an'ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, "ary ho an'ny taranakao" (Gen. 22.18), dia Kristy izany.

17 Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon'Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan'ny lalna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona taty aoriana, hahafoana ny teny fikasana.

18 Fa raha avy amin'ny lalna ny lova, dia tsy avy amin'ny teny fikasana intsony; nefa tamin'i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan'Andriamanitra azy.

19 Inona ary ny lalna? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin'ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr'anjely teo an-tnan'ny mpanalalana izany.

20 Ary ny mpanalalana dia tsy an'ny irery fa Andriamanitra dia iray ihany.

21 Ka moa manohitra ny teny fikasan'Andriamanitra va ny lalna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalna mahavelona nomena, dia avy tamin'ny lalna tokoa ny fahamarinana.

22 Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin'ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an'i Jesosy Kristy.

23 Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin'ny lalna isika ka voahidy ho amin'ny finoana izay efa haseho ato aoriana.

24 Koa ny lalna dia mpitaiza antsika ho amin'i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.

25 Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin'izay mpitaiza intsony isika.

26 Fa hianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy.

27 Fa na iza na iza hianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy.

28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy.

29 Fa raha an'i Kristy hianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.
